TAONA 2026- PASTERA HERITIANA

Taona tsara ho an'izay miankina amin'Andriamanitra


  • Alakamisy 08 Janoary 2026

Naneho ny heviny mikasika ity

taona 2026 ity Pastera Heritiana Randriarimalala amin'ny maha-raiamàndreny ara-panahy azy. Nambarany fa taona tena tsara ity taona 2026 ho an'ireo izay tena.miankina amin'Andriamanitra marina. Raha ara-Baiboly mantsy hoy izy dia miharatsy hatrany ny fiainana eto an-tany fa tsy mihatsara araka ilay voasoratra hoe : Araraoty ny andro azo hanaovantsoa fa miharatsy izao fiainana izao. Tsy midoika anefa izany hoy izy fa tsy misy ny fanantenana, indrindra fa ho an'ireo tena mivavaka marina. Ao amin'Andriamanitra ihany mantsy no tena misy fahafenoana hoy hatrany Pastera Heritiana Randriarimalala. Salama, milamina ny tokantrano, misy ny vola, hendry ny ankizy....Betsaka ireo tena manam-bola hoy izy fa tsy salama. Misy koa ireo milamina ara-tokantrano fa maditra ny zanany... Ny fiarahana amin'Andriamanitra ihany araka izany no vahaolana hatolotr'ity Pastera ity ho an'ny mpiara-belona raha te-hanana fiainana milamina sy mirindra amin'ity taona 2026 ity.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT