Finoana

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Tena mila firaisankinan’ny rehetra, hoy ny tangalamena Zakariasy


  • Talata 03 Septambra 2019

Tena vanim-potoana ilàna ny firaisankinan’ny samy Malagasy izao hanandratana avo ny firaisankinam-pirenena hoy ny tangalamena Zakariasy Patrick omaly nandritra ny tafa nataony ho an’ny mpanao gazety.

 

 

 

Mifanandrify indrindra amin’ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy andiany fahatelo hatao any Toamasina izany ny 20 ka hatramin’ny 22 septambra ho avy izao, tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny lohataona. Ny lohataona mantsy no  fiandohan’ny hazavana aty amin’ny ilabolan-tany atsimo ka  mamohamandry ny natiora araka ny fanazavany, antony  nisafidianana io daty io. Tsy hanavahana foko sy fiaviana na finoana ny hetsika ary tsy manaraka ireo fankalazana taom-baovao isam-poko na isam-paritra amin’ny vanim-potoana mahamety azy. Tsiahivina moa fa tamin’ny  22 septambra 2017 no nanaovana ny andiany voalohany amin’ny fankalazana ny Taom-baovao Iraisan’ny Malagasy izay natao teto Antananarivo ary nananganana ny Orimbato hita etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena atsy Analakely. Tany Fianarantsoa no nanaovana ny fankalazana tamin’ny taona 2018 raha any Toamasina no hanaovana ity andiany fahatelo ity  any  an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Vahiny manodidina ny 500 raha kely no andrasana amin’izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT