Tantaran’ny finoana Kristianina

Nasiaka tamin’ny mpitondra hatrany ny mpaminany


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Nasiaka tamin’ny mpitondra hatrany ny mpaminany, raha ny tantaran’ny finoana Kristianina voarakitra ao anaty

Baiboly no resahina, araka ny fanazavàn’ny mpandalina Baiboly teo anivon’ny Fikambanan’ny mpiara-mamaky Baiboly. Maro tamin’ireo mpaminany, hoy ny fanazavàny, no maty novonoina tamin’izany fotoana izany satria tsy nahafinaritra ny sofin’ireo mpanjaka ny zavatra nolazain’izy ireo. Tahaka an’ny mpaninany Samoela niteny tamin’i Saoly mpanjaka fa hifarana kosa ve ny fanjakàny moa hahafinaritra azy? Nisy ihany na izany na tsy izany ireo tonga saina tamin’ny tenin’ireo mpaminany, tahaka ny mpanjaka tao Ninive, ohatra, rehefa nanarin’ny mpaminany Jonah. Toy izany koa ny mpanjaka Solomonina, izay naka ny vadin’ny mpanompony nefa efa nanambady maro. Ho amin’ny andro ankehitriny kosa dia ny fiangonana no solon’ny mpaminany. Isan’ny nanamarina izany tao anatin’ny fanehoan-keviny mikasika ny hafatry ny eveka sy ny hafatry ny filohan’ny FJKM, ohatra, ny mpanao politika sady mpikambana Arema teo aloha, Gérard Andrialemirovason. Nilaza koa ny mpampianatra mpikaroka sady mpandalina tantara, Désiré Ranaivoson, fa marina amin’ny vanim-potoana rehetra ny ambaran’ny fiangonana ka anjaran’izay mahatsiaro ho voakasik’izany no mandini-tena sy manintsy ny lalan-kalehany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT