Finoana

Tanora Loterana Nanaovan’ny FAT zara vilana


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

Anisan’ireo nanatrika ny zaikaben’ny tanora loterana tany Fandriana ny mpikambana eo anivon’ny kongresy sady tanora loterana, i Andriampilamanana Rostand.

 “Anareo ny aller fa anay kosa ny retour”, hoy ity farany naneho ny alahelony. “Tsy mahafaly anay ny zara vilana ataon’ny fitondrana, ny hafa nomena 20 tapitrisa, ny sasany kosa 10 tapitrisa. Ankoatra izay, tsy nomena fitenenana tamin’ny fahitalavi-pirenena na iray aza ny tanora”. Tsy nisy tanora navelan’ny TVM niteny tamin’iny zaikabe iny kanefa havoriana tsy nisy toa ireny. Malahelo amin’ny fomba fiasan’ny TVM izahay”, hoy ihany izy. Olona manararaotra ny fahavoriana fa tsy zanaky ny fiangonana tokoa ianareo, hoy ihany ity mpikambana amin’ny Kongresy ity. Momba ny resaka Remenabila indray dia nambarany fa miaramila sy zandary avy ao Ihosy avokoa ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy, teo koa ireo mpanara-dia. Hatramin’izao, araka ny fanazavany ihany dia tsy mbola fantatra na olon-tsotra na tena dahalo marina tokoa ireo maty notifirin’ny mpampandry tany atsimo. Hankalazaina io raharaha Remenabila io, hoy i Andriampilamanana Rostand satria te halaza sy mila ranondranony ny sasany. 

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT