Tanŕnan’Antsirabe

> Ambohimpihaonan’ny vehivavy Adventista


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Tontosaina ao Antsirabe ny 14 Aogositra ka hatramin’ny 17 aogositra ny fihaonam-ben’ny Vahivavy Adventista manerana ny Oseanina Indianina sy atsimon’i Afrika.

Mpizaika miisa 5.500 avy any amin’ny nosy Seychelles, Maorisy, La Réunion miampy ireo solotenan’ny Faritra 22 eto Madagasikara no ao Antsirabe. Nisy ny diabe nanamakivaky ny tanàn’Antsirabe nandritra ny fanokafana ary nisy ihany koa ny fampiratiana vokatra sy asa tanana vitan’ireo fikambanan-behivavy teo amin’ny Kianjan’ny kolontsaina. “Nikasika ahy izy”. Izay ny lohahevitra anentanana ity fihaonambe ity, izay fanao isaky ny 5 taona ary sambany i Madagasikara no mampiantrano azy. Nanamarika ny hetsika ny fizarana fanomezana ho an’ny olona 1.000 hita fa sahirana tao Antsirabe renivohitra. Notoloran’ny Advantista trano heva fiandrasana taksibe (Abri-bus) roa koa ny tananan’Antsirabe. Fantatra fa dia ho maro ny hetsika ara-pivavahana hiseho eto Antsirabe ato ho ato satria mbola hanao ny azy koa ny FLM sy ny Jesosy Mamonjy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT