Finoana

Synodam-paritany Fjkm Afovoany Andrefana Lanonana roa sosona


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Nifarana omaly zoma 19 jolay ny isan-kerintaonan’ny Synaodam-paritany FJKM Afovoany Andrefana. Nisy fiaraha-miombom-bavaka tao amin’ny Fjkm Imeritsiafindra Ambohitrinimerina nanamarihana izany.

Tonga nanotrona ny kristianina tany an-toerana Rtoa Lalao Ravalomanana, vadin’ny filoha mpanampy ny Fjkm. Nisaotra ireo mpino kristianina amin’ny fitrotroana am-bavaka azy mianakavy tamin’ny zava-tsarotra nanjo ny fianakaviany Ramatoa Lalao Ravalomanana raha nandray fitenenana. Nohamafisiny ihany koa teto ny tokony hanaovazana isan’andro ny fanoloran-tena amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. “Mivavaha ka aza mitsahatra fa ny vavaky ny marina dia mahery indrindra”, hoy izy. Nankalazaina tamin’io koa ny jobily faha-20 taona naha mpikambana ao amin’ny biraon’ny synaodam-paritany ny mpitandrina Randrianaivoson Marcel mivady. Notolorana mari-pakasitrahana manokana tamin’izany asan’ny fitoriana ny filazantsara izany ny tenany. Nitarika ny fotoana omaly ny prezidà synodaly Randrianarisaina Harilaza, mpitandrina. Nitory ny tenin’Andriamanitra kosa ny Tonian’ny departemantan’ny fiangonana Fjkm, Radimisaona Jonah, mpitandrina.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT