Finoana

Synodam-paritany F.L.M. Tolagnaro Nankalaza ny taon-jaobily fankasitrahana ny Dr Rakoto Endor Modeste


  • Talata 13 Janoary 2015

Fampirantiana an-tsary ny tantaran'izy mivady, fizarana mari-pahatsiarovana sy Mari-pankasitrahana, fotoam-bavaka lehibe Anisan'ny nanamarika ny jobily fankasitrahana

Vory lanona tao Faradofay ny fianakaviamben'ny fiangonana Loterana ny alahady teo. Ny Pastera Dr Rakoto Endor Modeste, anisan'ny filoha naharitra ela satria eo am-pamitana ny fotoam-piasana faha-3 izy amin'izao fotoana. Izy no filoha faha-5 nitondra ny F.L.M. Vory lanona avokoa ny fianankaviamben'ny Synoda teo ambany fiahian'ny filohan'ny Synodam-paritany ny Pastora, Soloson. Fahombiazana no hita satria tamin'izao jobily fankasitrahana izao no nahafahana nandravona ireo disadisa tsy nampitovy hevitra ary saika nampisara-bazana ireo pastora. Ireo pastoraly râja ampahatsiahivina samy nandeha samy nitady. Nifandray tanana ary nikambana ho ao anatin'ny vala-tokana. Ny teny faneva tamin'izany araka izay voasoratra ao amin'ny Lioka 1, 50: "Anjaran'ny famindrampony dia izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara-mandimby".Filaharambe namakivaky ny tanàna tao amin'ny F.L.M. Tanambao ka hatreo amin ny Toby Nenilava. Hipoka ny fiangonana. Hatreo ny tany Faradofay fa mbola hanao ny azy ny eto Antananarivo ny volana mey ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT