Finoana

Synoda lehiben’ny FJKM Hotanterahina anio ny fifidianana filoha


  • Alarobia 24 Aogositra 2016

Andrasana anio alarobia 24 aogositra ny anaran’izay ho filoha mitarika indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (Fjkm) ho an’ny efa-taona manaraka.

Siosion-dresaka no betsaka fa tsy misy aloha hatreto ny anaran’ireo kandida sy ny mety ho isany. Anio vao ho fantatr’ireo mpizaika ao anatin’ny Synoda lehibe faha-18 ao amin’ny Fjkm Vatofotsy Antsirabe ny anaran’ireo kandida ireo. Matetika no ampifandraisin’ny mpanara-baovao amin’ny raharaham-pirenena sy ny politika ity resaka Fjkm ity. Manizingizina ny mpitantana ao amin’izany Fiangonana izany fa samy hafa mihitsy ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena ka tsy tokony hafangaro. Na izany aza, manana ny toerany tsy azo hamaivanina mihitsy amin’ny fiainam-pirenena ny Fjkm ary hatreto dia mpino Fjkm ny filoham-pirenena roa voafidim-bahoaka tato anatin’ny 15 taona teto Madagasikara dia i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina izany. Izy mirahalahy ireto izay re fa samy mihetsiketsika fatratra ao amin’ny Fjkm ao. Andrasana, araka izany, izay ho voka-pifidianana anio. Ho hita eo koa raha mbola hirotsaka ihany na tsia ny filohan’ny Fjkm am-perinasa, ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT