Tontosa ny 10 ka hatramin’ny 14 aogositra 2016 teo tany amin’ny Fileovana Mahavelona ny Isan-taonan’ny Synaodam-paritany Antananarivo faha-XVI eo anivon’ny Fiangonana Loteranina Malagasy.
Hiroso amin’ny Synaoda lehibe indray ny FLM, hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ao Antsirabe. Mandritra izany no hifidianana izay hitantana ny FLM eto Madagasikara. Miahiahy anefa ny mpino sasany fa misy kajikajy sy teti-panorona ataon’ny mpitantana sasany ankehitriny. Entin’izy ireo manaporofo izany ny fanovana tadiavina hapetraka amin’ny fomba fifidianana. Hatramin’izay dia ny Biraon’ny FLM no fidiana mialoha ka izay birao lany no mitarika ny fifidianana manaraka rehetra, toy ny fifidianana ny mambran’ny KMSL (Komity Maharitry ny Synoda Lehibe). Efa vita avokoa ny fifidianana teny anivon’ny synaoda ka io no rafitra narahina. Tetehina hatao mialoha anefa ny fifidianana ny mambran’ny KMSL mba hisy fiantraikany any amin’ny fifidianana Birao noho ireo mambra ireo handray anjara amin’ny fikarakarana sy fametrahana izay ho filoha. Misy ihany koa, araka ny ahiahian’ny mpino sasany hatrany, ny politika hanomezana vahana ny filoha ankehitriny hanao fandikana manokana ny lalàna araka izay mahametimety azy mba hampilamina ny teti-panorona tian-kapetraka. Voalaza aza fa efa misy ny olona voaomana amin’ny fanomanana ny fifidianana ahitana teratany vahiny. Toa efa sarintsarim-pifidianana no hisy satria efa tonga hatrany amin’ny fividianana vato ny resaka, hoy hatrany loharanom-baovao, ka ho sarotra ho an’izay hifaninana amin’ny mpitantana ankehitriny no handresy. Misy ihany koa ny fanosoram-potaka ireo olom-boahosotra mihevitra ny hirotsaka amin’ny fifidianana izay ho filoha ka misintona lakolosy mitaona ny sain’ireo rehetra manana fahefana hifidy mba hitandro hatrany ny fahamarinana ireo mahatsapa ny tsy fihetezana ireto mpaneho hevitra ireto.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.