Finoana

Synoda lehibe faha-18 Hitondra ainga vao ho an’ny Fjkm


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara io herinandro vaovao hitsidika io.

Hiatrika ny synoda lehibe andiany faha-18 ao Antsirabe mantsy ny Fjkm ny 17 hatramin’ny 24 aogositra 2016. Hisongadina amin’izany ny fifidianan’ireo solontenan’ny mpino kristianina manerana ny nosy ireo mpikambana vaovao handrafitra ny birao hitantana ny Fjkm ao anatin’ny 4 taona manaraka. Heverina hitondra ainga vao ho an’ny fiangonana protestanta Malagasy ny fihaonambe hotontosaina ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra taorian’ireo sedra samihafa nolalovany teto amin’ny firenena. Tokony hisaraka ny politika sy ny fivavahana araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenantsika saingy nifanindran-dalana hatrany ny raharaham-pirenena sy ny tontolon’ny finoana teto Madagasikara. Hanome lanja tanteraka ny hasina maha kristianina azy rahateo moa ny fiangonana Fjkm mandritra ity fivorian-dehibe fanavaozana ireo mpitantana foibe ity, araka ny fanamarihana avy amin’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika.

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT