Finoana

Synoda lehibe any Antsirabe Iza no ho filohan’ny FJKM ?


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Hatomboka anio alarobia 17 aogositra ao amin’ny FJKM Kamafa Vatofotsy Antsirabe ny fivorian’ny Synoda lehibe izay rafitra mpanapa-kevitra ambony indrindra eo anivon’ny Fjkm.

 

 Misy teboka 8 lehibe ny asa aman’andraikitry ny Synoda lehibe fa ny tena mahaliana ny maro dia ny fifidianana ny mpiandraikitra foibe sy ny filohan’ny Fjkm ary ny fankatoavana ny biraon’ny mpiandraikitra foibe. Manodidina ny 400 ny mpandray anjara amin’ity fihaonambe any Antsirabe ity ary fantatra fa anisan’ireo ho avy any ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao dia ny ho filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tsy misy mihitsy ny fanampim-baovao azo hatreto, tsy fantatra na mbola ho kandida na tsia ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Tsy tahaka ny fiainan’antoko na ny eny amin’ny parlemanta moa ny Fiangonana fa tena mikatona tanteraka ny loharanom-baovao rehetra ary henjana ny fitandroana ny tsiambaratelo maro samihafa. Ny hany fantatra fotsiny aloha dia tsy ho kandida amin’ny toeran’ny filoha lefitra laika intsony i Marc Ravalomanana izay efa nitazona io andraikitra io in-telo miantaona. Ho fantatra ato anatin’ny herinandro ny ho tompon’andraikitra vaovao hitantana ny Fjkm, izay anisan’ny Fiangonana lehibe eto Madagasikara. Matetika iadian-kevitra be fa tsy tokony hijabajabaka amin’ny raharaham-piangonana ny fitondram-panjakana, ary ny fiangonana koa tsy tokony hiditra any amin’ny resaka politika. Raha ny zava-misy anefa, hatramin’ny fahagolan-tany na teto Madagasikara na tany ivelany dia tahaka ny vary sy rano ny fiangonana sy ny fanjakana, ary manana ny heriny tsy azo hamaivanina mihitsy eo amin’ny fiainam-pirenena ny fiangonana toy ny Fjkm, ny Ekar, na ny Advantista sy ireo antokom-pinoana maro hafa.


 

RTT /Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT