Synaoda lehiben’ny FJKM

« Tsy manaiky ny LGBT, miantso ho amin’ny fahamarinana ! »


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Tontosa tao ny 13-20 aogositra tao amin’ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro,

synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona (SP 07), ny Synoda Lehibe faha-XX an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Tontosa soa aman-tsara izany noho ny fitarihan’Andriamanitra, ka nibanjinana an’i Jesoa Kristy amin’ny teny faneva hoe: “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” (1 Korintiana 15:58b). Voafidy nandritra ity Synoda Lehibe ity ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100, anisan’izany ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay hiasa mandritra ny fe-potoana 2025–2029. Nasiam-panavaozana ihany koa ny Foto-dalàna sy Fitsipika sasany, ho fanamafisana ny rafitra sy ny fitantanana anatiny. Nankalazaina tao anatin’ny Synoda Lehibe faha-XX ny: Jobily fisotroandronono sy faha-40 taona maha-Mpitandrina an’i IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Filohan’ny FJKM teo aloha ; Jobily faha-200 taona niorenan’ny Trano Printy FJKM ; Faha-57 taona nijoroan’ny FJKM. Neken’ny Synoda Lehibe ny fananganana ny Synodam-paritany faha-39 any Amerika Avaratra, ho fanitarana ny fitoriana sy ny fanorenana Fiangonana. Nohamafisin’ny FJKM tamin’ny tao anatin’ny fanambarana sy fehin-kevitry ny Synaoda lebibe izay nosoniavin’ny Filoha vaovao ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary sy ny Filohan’ny FJKM RABEVITA Saina, Mpitandrina- Filohan’ny Synoda Lehibe XX, fa tsy miara-miasa amin’nyEglise Unie Canada na UCC sy ny fiangonana mitovy fomba aminy ny FJKM, araka ny andininy faha-22 ao amin’ny Foto-dalàna. Tany amin’ny fanombohan’ny Synaoda lehibe no efa nanambaran’ny Filohan’ny FJKM teo aloha, fa tsy miara-miasa ary tsy handinika akory ny fiaraha-miasa amin’io UCC izay fiangonana protesatanta mandala sy mankasitraka ny fifanambadian’ny olona mitovy fahalalahana io ny FJKM. Ara-panabeazana, nambara tao anatin’ny fehin-kevitry ny synaoda lehibe, fa tanjona lehibe ho an’ny Sekoly FJKM ny fanabeazana marolafy. Ezahina ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana ny mpiasam-piangonana, ary ny fampamokarana sy fandraharahana manaraka ny fenitry ny Soratra Masina, mba hahatonga loharanom-bola maharitra ho an’ny Fiangonana.
FIOMBONANA, FIHAVANANA, FAHAMARINANA
Amin’ny maha Fiangonana nohavaozina azy, dia nohamafisin’ny Synoda Lehibe ny fiombonana, fihavanana, ary ny fitoriana ny Filazantsara. Nampahatsiahivina fa ny FJKM dia mpaminany amin’ny fiarahamonina, miantso ny zanany ho amin’ny fahamarinana, fahamasinana, ary andraikitra amin’ny asa fanompoana sy fiainana andavanandro. Nankasitrahana manokana ny Synodam-paritany SP 07 sy ny FJKM Salema Vaovao tamin’ny fandraisana feno fitiavana. Nisaorana koa ny Filoha sy Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Mpanatanteraka teo aloha, ary ireo mpamonjy Synoda Lehibe rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT