Finoana

Sylvia Ranaivojaona-reny mpiahy ANTILY


  • Talata 25 Aprily 2023

Miantso ny tompon’andraikitra hiray vina amin’ny fanabeazana

Tonga nitsidika ny Akany Avoko, toerana fitaizana ireo ankizy nania teny Ambohidratrimo Ranaivojaona Sylvia, Reny mpiahy ny faha-100 taonan’ny fikambanana Antilin’i Madagasikara ny Sabotsy teo. Toraka izany koa ny tao Anjanamasina toerana fitaizana ireo zaza maditra ihany koa izay nahitana skoto miisa 18. Samy nomeny fanampiana avokoa ireo ivon-toerana roa ireo. Nambarany tamin’izany fa maika ny fanarenana sy ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika ao anatin’ilay teny filamaitr’izy ireo manao hoe : Iray vina sy iray tanjona ao anatin’ny fanabeazana. Nanaovany antso avo tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mihitsy izany mba hahafahana manavotra ireo ankizy efa nania hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina indray raha toraka izany ihany koa ny fiarovana mafy ireo ankizy sasany tsy hiditra eny anivon’ireny ivon-toerana ireny. Tsiahivina moa fa tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Masindahy Georges izay mpiaro ny skoto manerantany nomarihina omaly Alahady 23 Aprily ny fikambanana Antilin’i Madagasikara. Teny amin’ny tanin’ny Marilux teny Andakana Ambohidratrimo no nanamarihana izany izay nitohy tamin’ny sorona masina lehibe natao tao amin’ny diosezin’Ambohidratrimo omaly. Narahina kilalao sy hetsika maro samihafa toy ny afondasy izany, nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahina tamin’ny sabotsy teny Ambohidratrimo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT