Finoana

Sylvia Ranaivojaona FIZAFAFI Manampy ny ara-nofo sy ny ara-panahy


  • Talata 04 Aprily 2023

Renim-pianakaviana tsy zoviana amintsika intsony Sylvia Ranaivojaona amin’ny fanampiana sy fanohanana ny mpiara-belona na ara-nofo izany na ara-panahy.

Taorian’ny nanekeny ho Reny mpiahy ny fikambanana Antilin’i Madagasikara dia nahazo fanasana manokana avy amin’ny Rhema Church of Madagascar tarihin’ny Apostoly Mickael indray ny tenany. Raha tsiahivina kely dia nanatanteraka ilay kaonferansa na mega metting ity fiangonana ity nanomboka ny 29 nartsa teo ka hatramin’ny 02 aprily teo. Teny Ambatolampy Ambohibao no nanatontosana izany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : miditra amin’ny vanim-potoana vaovao. Nambaran’ny Apostoly Mickael fa tsy mety raha mijanona amin’izao toerana misy azy izao intsony ny olombelona. Mila manao dingana hoy izy toy ny nataon’i Josoa nitondra ny zanak’Israely tany amin’ny tany Kanana. Anisan’ny nasainy nampita hafatra tamin’izany Pastera Yves, ny pofety Issa Emmanuel mivady avy any amin’ny Nosy rahavavy Maorisy…Ho an-dRanaivojaona Sylvia manokana fa faly ny tenany noho ny fanasan’ny mpino tsy an-kanavaka azy. Tsy mialonjafy ny tenako hoy izy fa rehefa antsoina dia tonga indrindra fa ny fanomezan-danja ny lafiny ara-panahy tahaka izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT