Finoana

SVFL - Fjkm Mahalavolona Nanome ra maimaimpoana hamonjena aina


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Nanome ra maimaimpoana entina hanampiana ny mpiara-belona manana ny tsy salama ny “Sampana Vondrona Fototra Laika eo anivon’ny fiangonana FJKM Mahalavolona Andoharanofotsy ny sabotsy teo.

 

 

 Ankoatra ireo mpikambana miisa 20 dia tonga teny ihany koa ireo olon-tsotra 30 isa izay samy manana tanjona hanolotra ny ainy hamonjena ny sakaizany araka ny tenin’ny soratra masina voasoratra ao amin’ny Jaona 15. 13. Izay rahateo ny teny filamatr’izy ireo nentina nanatanterahana ny hetsika. Tao amin’ny dispanseran’ny fiangonana ihany no nanaovana azy, hatolotra toby fitehirizan-dra etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ny ra rehetra voangona. Tsara ny manamarika fa mahasalama ny manome ra. Afaka manao izany avokoa ny rehetra rehefa mihoatra ny 50 kg sy feno taona. Ho an’ny vehivavy manokana dia mampihena ny tahan’ny fahatongavan’ny aretina homamiadana ny fanaovana  azy ity .

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT