Finoana

STK eo anivon’ny FJKM Hofanina any Fianarantsoa


  • Talata 01 Oktobra 2019

Ny tanora ankehitriny no hoavin’ny fiangonana rahampitso.

 

 

Mila hofanina sy hampianarina izy ireny ka anisany ny fifankatiavana sy ny fahaizana mifandefitra, indrindra  fa ny fitondran-tena mba ho môdely eny anivon’ny fiarahamonina.  Amin’ny alalan’ny  fihaonam-be nasionaly izay karakarain’izy ireo any Fianarantsoa ny 09 ka hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany, fotoana iray hampiraisana ireo sampana tanora Kristianina manerana ny Nosy ihany koa. Ny komitin’ny faha-45 taonan’ny  Sampana Tanora Kristianina sy ny birao STK foibe no hikarakara ny hetsika ka anisan’ny tanjona ny hananana tanora vanona sy vonona hampita ny traikefany amin’ireo fitandremana niaviany avy. Miantso ny tanora rehetra mba samy hiomana amin’ity filasiana ity ny tompon’andraikitra, indrindra ny resaka  fitaovana. Ho hentitra ihany koa izy ireo amin’ny fiara izay tsy maintsy miara-miainga avokoa rehefa hiala eto Antananarivo hihazo an’i Fianarantsoa.  Fiara  efa voajery ara-dalàna  ny momba azy sy ny taratasy no entina mandeha hisorohana ny loza mety hitranga tampoka eny an-dalana. Hisy ihany koa ny mpitandro ny filaminana hiaraka amin’izy ireo.  Ankoatra ny fotoam-pivavahana moa dia hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra ho an’ny tanora lahy sy vavy hotanterahina any an-toerana raha filaharam-be mamakivaky ny tanànan’i Fianarantsoa kosa no hamaranana ny hetsika ny 13 oktobra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT