Finoana

Soeur Fabiola Nitantara ny nitondran’i Jesosy azy tany an-danitra


  • Alarobia 28 Mey 2014

Tao anatin’ny fifadian-kanina nandritra ny 120 alina sy ny vavaka nataoko isak’alina nandritra izany fotoana izany no nahafantarako fa ho faty aho kanefa hitsangana indray, ary dia efa nambarako tamin’ireo mpiara-mivavaka izany, hoy i Soeur Fabiola, namory ny mpanao gazety teny amin’ny toby “Ziona tanŕna masina” teny Ankerana omaly ka nitantara ny amin’ny nahafatesany sy nitondran’i Jesosy azy tany an-danitra ary ny nitsanganany tamin’ny maty.

 Nambarany fa mbola niari-tory nivavaka ry zareo ny alahady 18 mey ka nandeha natory rehefa avy nisotro dite maraina no tonga i Jesosy naka azy ka nialan’ny aina tamin’ny vatany ary dia nanao ferapara ny fianakaviana fa maty izy. “Anisan’ny antony tsy namelako ny olona hiandry ahy sy hijery ny fatiko, hoy i Soeur Fabiola, ny filazan’i Jesosy tamiko fa ho potika ny vatako satria tsy hisy anjely hidina ety an-tany mandritra ny telo andro, fa Fanahy Masina ihany no hiasa ety”. Nambaran’ny olona tokoa rehefa navoaka ny fatiko fa sady efa maimbo no nibontsina. Izay no anton’ny namerenan’i Jesosy ahy tamin’ny alarobia 21 mey raha tokony ho alakamisy aho vao miverina, hoy i Soeur Fabiola. “Ny hampifankatia ny Malagasy sy ny Kristianina rehetra no asa nanirahan’i Jesosy ahy amin’izao fiverenako izao”, hoy i Soeur Fabiola fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fanaovan’ny pasitera sasany fitadiavam-bola ny Fiangonana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT