Finoana

Soanierana Ivongo Nifamono ny sekta sy ny mponina


  • Talata 20 Jona 2017

Nisavorovoro ny tany Soanierana Ivongo omaly alatsinainy 19 jona.

Noho ny fisian’ny fiangonana zandriny iray antsoina hoe FKM (Fiangonana Kristianina Mitambatra) voalaza fa manana olana amin’ny vahoaka na dia nahazo fahazoan-dalana hanao andrana 3 volana tamin’ny kaominina aza no antony. Manakotaba ny fiarahamonina amin’ny alina na “tapage nocturne” ity fiangonana ity raha ny tatitra. Tsy vitan’izay fa tsy afaka mankany an-tsekoly intsony ny zazavavy, manana olana ny mpivady ary olana ara-tsosialy goavana ny fisiany. Tsy avelan’ny mpitarika hivoaka ny fiangonana ireo olona tafiditra ao, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Noho ireo antony ireo dia nofoanana ny sabotsy 17 jona teo ny fahazoan-dalana manao andrana teo am-pelatanan’ireo mpitarika ny fiangonana raha tokony ho amin’ny volana aogositra vao hifarana. Tsy nanaiky mora fotsiny ireo mpivavaka tao ka nanafatra olona ivelan’i Soanierana Ivongo hanampy azy ireo ka raikitra ny fifampihantsiana. Nafana ny fifandranitana omaly ka niafara tamin’ny korontana sy ny fifamonoana ary fandorana ilay fiangonana. Ankoatra izay, olona 14 no naratra, ka polisy ny iray. Ny 11 tamin’ireo naratra dia voatery naiditra any amin’ny toeram-pitsaboana satria voa mafy ary misy mihitsy no miady amin’ny fahafatesana. Taorian’ny fahamaizan’ilay fiangonana dia nitsoaka any anaty ala ireo mpino izay nandoro trano sy ala mba ho famaliana faty sy tsy hisian’ny fanarahan-dian’ny olona sy ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Nandrahona hanao valifaty ireo mpino tao amin’ity fiangonana ity. Nisy 8 tamin’izy ireo ihany anefa no voasambotra ary hanaovana fanadihadiana amin’izao fotoana. Mbola hifanenjehana sy karohina any anaty ala kosa ny mpitarika ity fiangonana zandriny ity amin’izao fotoana. Ahiana hitohy ny savorovoro noho ny valifaty tsy ampoizina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT