Olona 800 000 raha kely no ho avy eto an-drenivohitra hanome lanja ny fahatongavan’i Papa François eto Madagasikara manomboka ny zoma 06 septambra ho avy izao.
Efa manomboka tonga tsikelikely izy ireo raha ny fanadihadiana natao, indrindra ireo hanararaotra haka rivotra eto an-tanàn-dehibe. Mba hampirindra tsara ny fivahinianan’ireo olona ireo ary dia nomena fiofanana avokoa ireo mpivarotra miisa 250 hiasa eny Soamandrakizay Androhibe iarovana amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo mety hitranga. Lohalaharana amin’ireny ny resaka fahadiovana izay tena zava-dehibe tokoa. Toraka izany koa ny fitaovana hampiasaina toy ny vitrine hahafahana miaro ny sakafo amin’ny vovoka sy ny lalitra. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny hafatra nampitaina tamin’ireo mpivarotra mba tsy hanararaotra ny mpanjifa. Misy amin’izy ireny mantsy no sahy mampiakatra vidin-javatra hatrany amin’ny avo roa heny mihitsy rehefa fotoan-dehibe tahaka izao. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana nomena azy ireo notontosain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mikasika ny tsy fahasalamana mety ho tonga tampoka kosa mandritra ny fandalovan’i Papa dia fantatra fa hisy ny mpamonjy voina sy fiara mpitondra marary hiasa eny Soamandrakizay mandritra ireo andro maromaro ireo. Ho an’ireo toerana lalovan’i Papa manerana ny Nosy kosa dia hisokatra avokoa ny tobim-pitsaboana rehetra, indrindra fa ireo dispansera katolika ho fitsinjovana ireo sanatria tojo tsy fahasalamana tampoka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.