Finoana

Soalihy Moussa “Miantso ny mpino Silamo hivavaka ho an’ny firenena”


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Tsy hoe tsy misakafo fotsiny ihany no atao hoe Ramadan, hoy ny sekretera jeneralin’ny Faribolam-pandinihana Miozolimanina, Soalihy Moussa, nanazava ny tohin’ity vanim-potoana goavana eo amin’ny finoana Miozolomanina ity,

fa misy zavatra fadiana ao. Mifehy ny vatana, ny fo, ny saina, ny fanahy, hoy izy. Tsy miteny zavatra tsy voafehy na mandratra fon’olona. Tandremana koa ny maso tsy hijery izay tsy tokony ho jerena raha sanatria misy zavatra mitady hampisy fakam-panahy anao eny an-dalana dia miondrika mihitsy. Fehezina koa ny tongotra tsy ho any amina toerana tsy tokony alehany toy ny toeram-pandihizana na fisotroan-toaka fa entina amina toerana “Halal”, izany hoe, azo andehanany toy ny fiasana izay hitadiavanao vola na Moske na any an-tokantrano. Eo amin’ny resaka fidiovam-panahy dia ohatra izao hoe izaho mifoaka sigara fa najanoko izany noho ilay Ramadany. Ny fifehezana ny fo no lehibe indrindra. Mamela heloka ireo nankarary ny fonao. Eo koa no fotoana hangatahana amin’ny Zanahary ny famelan-keloka amin’izay fahotana lalina vitanao izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ianao sy izy. Mikasika ny saina moa dia mila misaina amin’izay hoe ahoana no ataoko tsy hamerenako intsony ny tsy mety nataoko ary hampitombo kosa ny tsara atao? Tombana ara-panahy, noho izany, ny Ramadany. Tokony hisy zavatra hiova, noho izany, eo aminao rehefa avy nanao Ramadan. Tokony ho be indrafo. Mahatsapa ianao hoe manao ahoana izany noana izany. Ahoana moa no ahafahanao manampy ny noana raha tsy ianao mihitsy no noana? Miantso ny mpino Silamo rehetra mba hivavaka ho an’ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT