Finoana

Skoto kely avy eto Antananarivo Nitsidika ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Ao anatin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao, sady ho fanabeazana ny ankizy koa, dia tonga nitsidika ny

sekolin'ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra na EGNA ireo skoto kely avy ao amin'ny Sekoly Masindahy Michel Antananarivo, omaly 3 aogositra 2022, hoy ny fampitam-baovao. Taorian'ny fampahafantarana tamin'ny horonantsary ny tantaran'ny sekoly dia nisitraka ny fampisehoana an-tsehatra ny dingana nolalovan’ireo mpiady na "Parcours du combattant" izy ireo. Faly sy afapo ireo ankizy fa tena niavaka ny fandalovan'izy ireo tao amin'ny EGNA, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Araka ny fanamarihana moa dia ireo katitakely mbola antsoina hoe lovitao ireto nisitraka fitsidihana ireto.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT