Sinaoda lehibe FJKM faha-20 ao Taolagnaro

Andrasana ny fifidianana izay ho Filoha vaovao


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Manomboka ano alarobia 13 aogositra ny Synaoda lehiben'ny fiangonana FJKM

izay hatao ao Taolagnaro. Ny synaoda lehibe moa dia fotoana iray eo amin ny Fiangonana FJKM handinihina ny raharaha maro samihafa eo anivon ny Fiangonana tahaka ny tatitry asan’ny mpiandraikitra foibe nandritra ny 4 taona ataon’ny birao foibe, fanolorana tetikasa ho an’ny 4 taona manaraka. Anisan'ny fotoan-dehibe andrasan'ny maro amin’izany ihany koa ny fifidianana izay ho filoha vaovaon'ny FJKM, hitantana indray mandritra ny 5 taona. Tsy afaka mirotsaka intsony ny Filoha am-perin’asa izay efa nahavita ny adidy lehibe tamin’ny fitarihana ny FJKM, ka andrasana ofisialy ireo kandida sy ny fifidianana na dia efa manomboka fantampantatra ihany aza ankehitriny. Tsiahivina hatrany fa anisan’ireo fiangonana lehibe manana ny maha izy azy eto Madagasikara, iray amin’ireo mandrafitra ny FFKM ny FJKM, ka ankoatra ny tontolo ara-pinoana sy ara-pivavahana, dia heverina fa stratejika be amin’ny fiainan’ny fiainam-pirenena ihany koa ny toeran’ny Filohan’ny FJKM. Olona manodidina ny 2000 eo moa no ho avy mandritra ity fotoana lehibe any Taolagnaro ity izay ahitana synaodista manodidina ny 400 Ary ny 2/3n’ireo no efa tonga ao any an-toerana, raha ny fampitam-baovaon’ireo iraka manokana nalefa any. Amin’ny maha mpampiantrano ny Faritra Anôsy, nisy ny fihaonana teo amin ny Birao foibe FJKM izay notarihin'ny Filoha nasionalin 'ny FJKM Dr Ammi Irako Andriamahazosoa sy ny governoran’ny faritra Anôsy omaly 12 aogositra tao amin'ny Lapan’ny faritra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT