Finoana

Silamo Sunnite eto Madagasikara Nifaly noho ny fahavitan’ny Ramadany


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Niavaka ny famaranana ny iray volan’ny Ramadany ho an’ireo mpino Silamo mivondrona ao amin’ny fianakaviambe mozilmana Sunnite eto Madagasikara.

 

Tetsy amin’ny tanimenabe akaikin’ny kianja Maki etsy Andohatapenaka no nanatanterahan’izy ireo ny lanonana mifandraika amin’izany na ilay antsoina hoe : Id oul fitr. Nambaran’Andriamatoa Arona  Amosa fa sarobidy sy masina amin’ny Mozilmanina eran-tany io volana Ramadany io ka rariny raha mifaly noho ny fahavitany iray volana tao anatin’ny fanaompoana an’i Allah ny zanany. Narahina fizarana vary 3 kg isan’olona ho an’ireo mpino  sahirana ny hetsika hahafahan’izy ireo miara-mifety amin’ny vady aman-janany. Nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ny vehivavy ankoatra ny antsapaka izany nanolorana karazam-pitaovana toy ny môtô ho an’ireo mpino tsara vintana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT