Finoana

Silamo Ahmadiyya Tokana ihany ilay Mpahary hinoana


  • Talata 27 Jona 2017

Nanatontosa ny fizarana «Fitrana» ny faran’ny herinandro teo ny silamo Ahmadiyya eny Andavamamba.

Voatsinjo manokana tamin’izany ireo mpianatra ao amin’ny «Collège Musulman Ahmadiyya» miaraka amin’ireo ray aman-dreny. Nahazo kitapo fitondra mianatra avokoa ireo ankizy manovo fahalalana miisa 453 manomboka ao amin’ny kilasy famohazan-tsaina hatramin’ny kilasy faha-9. Notolorana akanjo kosa ireo raim-pianakaviana. Fanomezana avy amin’ny fikambanana silamo eto Madagasikara sy Maorisy izy ireo, araka ny fanazavan’ny misionera Mudassir Ahmed. Manan-jo amin’ny fananana sy ny harenan’ny mpino silamo ireo olona sahirana sy mahantra, hoy ny toromariky ny mpaminany masina. Endrika iray fampisehoana izany fiaraha-miory amin’ireo niangaran’ny vintana izany rahateo ny fifadian-kanina mandritra ny iray volana tanterahan’ny fivavahana silamo. Fomba amam-panaon’ny finoana silamo kosa ny «Id» na fety fiaraha-mifaly miaraka amin’ny manodidina ao anatin’ny famaranana ny volan’ny Ramadany toy izao. Hafatra manokana nasongadin’ny misionera ho an’ny antokom-pivavahana rehetra nandritra io fiaraha-mifaly io moa ny hoe «tokana na iray ihany Ilay Mpahary hinoana» ka tsy mety ny miady na mifamono.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT