Finoana

Silamo Ahmadiyya Nankalaza ny «Eid ul Adhia»


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Nankalaza ny fety «Eid ul Adhia» mandritra ny telo andro ny fikambanana silamo Ahmadiyya ny sabotsy teo.

Nisitraka ny fizarana henan’omby tamin’izany ireo fianakaviana sahirana miisa 700 teny amin’ny fokontany Andavamamba niaraka tamin’ireo tapaka sy namana. Fahatsiarovana ny fankatoavan’i Hadhrat Ibrahim na Abrahama ny didin’i Allah (Andriamanitra) hanao sorona ny zanany lahy Hadhrat Ismael (Isaka) nefa nosoloina ondry izy io. Notazonina sy nolovaina ho fakan-tahaka hatramin’izao moa ity fanapahana biby ho mariky ny fahatsoram-pon’ny Mpaminany ity. Tsy mijanona amin’ny fanapahana ny tendan’ny biby ilay fihetsika fa mitohy amin’ny fizarana sy fihinanana miaraka amin’ny olon-kafa. Hafatra sy lesona lehibe misongadina ao anatin’ny fankalazana kosa ny fahavononana lalandava amin’ny famoizan-tena tanteraka ho an’i Allah amin’izay rehetra natolony sy nomeny ny zanak’olombelona. Fanamarihana manokana nentin’ny misionera Mudassir Ahmed moa ny hoe : «tsy fivavahan’ny fampihorohoroana fa fivavahana feno fiadanana sy feno fandriampahalemana ny silamo» izay antom-pisiany rahateo.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT