Finoana

Silamo Ahmadiyya Manameloka ny asa fampihorohoroana


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Nanatanteraka ny «Jalsa Salana» na fihaonana isan-taona andiany faha-12 ny zoma 28 sy sabotsy 29 oktobra 2016 teo teny Andavamamba misy ny foibeny ny fikambanana Silamo Ahmadiyya eto Madagasikara.

 

 Nanome voninahitra ny fivoriamben’ireo mpikambana manerana ny nosy ny Amir Seib Moussa Taujoo mpitantana ny fikambanana miozilimanina Ahmadiyya eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. Misongadina hatrany mandritra ny fifanatrehan-tava eo amin’ireo mpino silamo Ahmadiyya miparitaka manerana ireo firenena 207 ny fianarana sy ny fizaram-baovao miaraka amin’ny fanavaozana ny fomba fisainana sy fitondrantenan’ny isam-batan’olona manaraka ny finoana silamo mifototra amin’ny fitiavana sy ny firahalahiana. Tsy mankasitraka ireo herisetra miseho amin’ny endriny samihafa ny fikambanana, araka ny toriteny heno teny an-toerana. Manohitra sy manameloka ireo asa fampihorohoroana rahateo ny silamo Ahmadiyya, hoy ny lehiben’ny fikambanana monina atsy amin’ny nosy Maorisy misolotena ny Kalifa eto amin’ny Oseana Indianina. Mampiavaka ireo mpino miozilimanina ahmadi manana ny foibeny any Londres amin’ireo 72 hafa moa ny finoany ny efa nahatongavan’ilay Mesia Mizra Ghulam Ahmad.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT