Finoana

Silamo Ahmadiyya Madagasikara Nahatontosa ny «Jalsa Salana» 2017


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Nanatontosa ny «Jalsa Salana» andiany faha-13 teny Andavamamba ny 29 sy 30 septambra 2017 teo ny fikambanana silamo Ahmadiyya eto Madagasikara.

 

 Lohahevitra goavana niompanan’ity fihaonambe nasionaly ity ny hoe «Islam, fivavahan’ny filaminana iombonana». Tena ilaina ny fifanatrehan-tava eo amin’ireo mpikambana silamo Amhadi ho fanamafisana ny fiombonana sy ny firahalahiana, hoy ny Amir Moussa Taujoo. Tanterahana mandritra izany ny tomban’ezaka fijerena ny zava-bita sy ny fanatsarana tokony hatao, araka ny fanazavany. Zava-dehibe voizina ao anatin’ny fivoriana isan-taona hatrany ny fihavaozana ara-panahin’ireo mpino mpikambana eo amin’ny lafiny fampianarana ny foto-pisian’ny firehana silamo dia ny fitoriana ny fandriampahalemana miaraka amin’ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana andavanandro, hoy ity filohan’ny fikambanana miandraikitra Ranomasimbe Indianina ao amin’ny Nosy Maorisy ity. Fomba fisehon’ny kongresy eo anivon’ny firenena iray amin’ny ankapobeny indray ny fihainoana ireo lahateny samihafa ahafahana mampihatra izay tena voalazan’ny Kor’any Masina. Tanjona fototra ho an’ireo firenena 207 ahitana ny fikambanana silamo Ahmadiyya kosa ny mandray ny toromariky ny Kalifa Hadhrat Mizra Masroor Ahmad ny famitàna ireo adidy eo anatrehan’ilay Mpamorona izao tontolo izao (Allah) sy ny fanatontosana ireo andraikitra manoloana ireo mpiara-belona noforonin’ilay Mpahary, araka ny fanampim-panazavany.

RTT


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT