Shincheonji Madagasikara

Nanatanteraka fanomezan-drà ho an'ny CHU HJRA


  • Talata 23 Septambra 2025

Shincheonji Madagasikara/ Nanatanteraka fanomezan-drà ho an'ny CHU HJRA

fanomezan-drà ho an’ny CHU HJRA ny Fiangonana Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao (Shincheonji Madagasikara). Nilaza izy ireo fa tahaka ny nitiavan'i Jesosy an'ireo olony, ka nandatsahany ny ràny hanavotana azy ireo, dia naniry ny hanolotra ny ràn'izy ireo ho famonjena ny hafa koa ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonana Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao. Mpikambana manodidina ny 200 teo no nanolotra ny ràn'izy ireo tamin’io fotoana io. Nanatanteraka izany asa izany ny Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao tamin' ny fahatsapana fa ny maha mpiray firenena antsika dia ny fifanampiana eo amin'ny samy Malagasy. Raha tiana hivoatra sy hihatsara kokoa ny fiainan'ny Malagasy dia afaka atomboka amin'ny zavatra kely ny fiovana, hoy ity Fiangonana ity. Maniry indrindra izy ireo hanampy sy hirotsaka an-tsitrapo bebe kokoa ho an'ireo mpiara-belona aminy. Hoy indrindra izy ireo : « Isika mahalala fa ny fahasalamana no voalohan-karena, tsy misy sarobidy mihoatra noho ny aina, ka mino izahay fa hanome aina ny hafa ny fandraisana anjara tamin'ny fanomezan-drà izay nataon'ny fiangonana Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao ».
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT