Finoana

Shincheonji Fiangonan’I Jesosy Voarakitra ho mpanome rà betsaka indrindra maneran-tany


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Maherin’ny 90 000 ny mpikambana ao amin »ny Shincheonji Fiangonan’i Jesosy manerana izao tontolo izao no

hanolo-tena hanome ny rany amin’ny fiezahana ny hametraka ny firaketana an-tsoratra maneran-tany (“record du monde”), no sady manampy ny vondrom-piaraha-monina misy azy ireo amin’ny famenoana ny tahirin-dra izay mihena maneran-tany. Ity no hetsika fanomezan-drà lehibe iraisam-pirenena faharoa hataon’izy ireo amin’ity taona ity. Nilaza i Msizi Magwaza, mpitondra tenin’i Shincheonji any Afrika Atsimo, tamin’ny volana mey tamin’ity taona ity fa manodidina ny 20 000 amin’ireo mpikambana ao amin’i Shincheonji no nanome rà maneran-tany, izay nahitana mpikambana 600 avy any Afrika Atsimo, Namibia ary Zimbaboe. “Tany Korea Atsimo, dia voarakitra ho fanomezan-dra lehibe indrindra tao amin’io firenena io hatramin’izao ny hetsika fanomezan-drà nataon’ny fiangonana”, hoy izy. Ny Vokovoko Mena dia nanome an’i Shincheonji marim-pankasitrahana manokana ho fankasitrahana izany ezaka fanomezan-drà izany. “Toy ny orana nandritra ny hain-tany. Gaga izahay fa nihoatra ny 6 000 ny isan’ny mpanome tao anatin’ny telo andro monja, ary an’arivony aza no nandray anjara. Feno fankasitrahana ny amin’ny fanoloran-tenany hamonjy aina izahay, ”hoy i Namsun Cho, lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Vokovoko Mena. Teo anelanelan’ny 12 sy 26 septambra, nanandrana nametraka ny Guinness World Record ny mpikambana ao amin’i Shincheonji tamin’ny mpiangona maherin’ny 90 000 maneran-tany nanome ny rany. Ireo nisoratra anarana betsaka indrindra ho mpanome rà amin’ny Internet tao anatin’ny 24 ora dia ahitana mpandray anjara 71.121 izay tsy iza fa ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapon’ny Shincheonji, WE ARE ONE (Korea Atsimo) tany Seoul, tamin’ny 2 Oktobra 2022. Raha ny eto Madagasikara, dia mbola vitsy ireo milatsaka an-tsitrapo manome rà ho fanampiana ireo mpitsabo sy hamonjena ireo mpiara-belona izay tena mila izany. Izany dia noho ny hevi-diso maro manodidina ny fanomezan-drà ka tsy mampazoto ny Malagasy hanao izany. Antenaina anefa fa hitombo izany amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT