Vondrona mpanome rà 18.000 no nanampy tamin’ny fifehezana ny famatsian-drà tany Korea Atsimo. Nanjaka maneran-tany ny tsy fahampian’ny famatsian-drà noho ny Covid-19. Tamin’ny volana Janoary,
dia nanambara “krizy ara-pamatsian-drà nasionaly” ny “Croix-Rouge” Amerikana, izay miteraka loza lehibe ho an’ny fikarakarana marary. Ny volana martsa, dia nanambara “hamehana” noho ny tsy fahampian’ny tahirin-drà type O izay maharitra 1-2 andro sisa ny fikambanana iray “Memorial Blood Centers” (MBC) tany Etazonia ary niantso ny fandraisan’anjaran’ny besinimaro amin’ny fanomezan-dra iray izay mety hahavonjy ain’olona telo. Araka ny voalazan’ny “Croix Rouge”, dia ampiasaina amin’ny zavatra isan-karazany ny rà, anisan’izany ny ratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny fandidiana, ny anemia, ny fiterahana ary ny fitsaboana ny homamiadana. Koa satria tsy azo vokarina ara-pomba artifisialy ny rà, dia milaza ny manam-pahaizana fa ny fanomezana rà ihany no hany vahaolana ho an’ny famatsian-drà.
NAHATRATRA 18 000
Tany Korea Atsimo, mpikamban’ny Shincheonji Fiangonan’I Jesoa miisa 18.000 no nandray anjara tamin’ny fanomezan-drà nandritra ny roa herinandro nanomboka ny 18 Aprily. Io isa io dia voarakitra ho vondrona mpanome rà betsaka indrindra tao amin’ny firenena. Namsun Cho, lehiben’ny Sampan-draharahan’ny rà ao amin’ny “Croix Rouge” Koreana, dia nilaza hoe: “Rehefa nahatratra ny fara tampony ny fiantraikan’ny Omicron, dia nanao fanomezan-drà be dia be ny Shincheonji Fiangonan’i Jesoa. Izany dia toy ny orana nandritra ny hain-tany. Gaga izahay fa nihoatra ny 6.000 ny isan’ny mpanome rà tao anatin’ny 3 andro ary nitombo ny olona nandray anjara. Ankasitrahanay ny fanoloran-tenan’izy ireo hamonjy aina.” “Nanao asa tena lehibe izy ireo tamin’ilay hetsika fizarana fiainana. Io salanisa io dia mitovy amin’ny fanomezan-drà ataona vondron-tafika iray mandritra ny herintaona. Efa ho avo efatra heny amin’ny mahazatra ny isan’ny mpanome rà, fanampiana lehibe amin’ny fandresena ny krizin’ny famatsian-drà amin’izao fotoana izao”, hoy ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ny sampan-draharahan’ny rà.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.