Ny 18 aogositra, Shincheonji Fiangonan’i Jesosy,
Tempolin’ny Tabernakelin’ny Vavolombelona, Fokon’i Petera, Fiangonan’i Tanzania (Izay tarihan’i Pasitera Yoon Hyun-chul), dia nitarika fanadinana ara-baiboly mahakasika ny Fanambarana izay nisokatra ho an’ny mpino sy ny pasitera an’ireo renivohitra toy ny Dar es Salaam, hoy ny fampitam-baovao. Tanjon’izany fanadinana izany ny hanamarina raha tena nitandrina ny tenin’ny Fanambarana Fnb 22 :18-19 manao hoe : « hamarino ny tenanao : nitandrina ny teny arakin’ny lazain’ny Baiboly ve ianao ? » tokoa ireo mpino izay manantena ny Fanjakan’ny Lanitra, izay boky tokony ho fantatry ny mpino rehetra, ary hampirisika ny tsirairay avy hijoro amin’ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. Ilay fanadinana dia nahitana fanontaniana miisa folo (10) ary zana-mpanontaniana telo amby telopolo (33), mifototra amin’ny Fanambarana avokoa ireo. Teo amin’ny 138 teo ny mpandray anjara, tanatin’izany dia nahitana pasitera miisa 98 ary mpinon’i Shincheonji misia 40. Ny vokatra dia naneho fahasamihafana lehibe teo amin’ireo karazana vondrona roa (Ireo mpikambana tao amin’i Shincheonji dia nahazo salan’isa 95, ireo pasitera protestanta kosa dia nahazo salan’isa 7). Fa na izany aza, dia tsy ny hampitovy ireo mpandray anjara ny tanjona fa ny hamprisika ny tsirairay avy amin’ny fandihan-tena amin’ny alalan’ny Fanambarana ary afahan’izy ireo manakaiky an’Andriamanitra. Hoy ny pasitera iray nandray anjara: "Ny fahitana ireo mpikambana ao Shincheonji nanoratra ny valinteniny tamim-pahatokiana androany dia nahatonga ahy hisaintsaina momba ny finoako sy ny fiantsoana ahy ho pasitera ahy. Hianatra ny Fanambarana amin'ny alalan'ny Foiben'ny Ivon-toerana Misiona Kristiana Ziona an’i Shincheonji aho, hitarika ny fiangonako eo amin'ny lalan'Andriamanitra, ary hampianatra azy ireo araka ny tokony ho izy mba hahafahan'izy ireo miditra ny Lanitra." Ny Filoha Lee Man-hee ao amin’i Shincheonji Fiangonan’i Jesosy dia nanantitrantitra tsy tapaka ny Fnb 22:18–19 manao hoe: “Mba hidirana any an-danitra, ny iray dia tsy tokony hanampy na hanaisotra ny teny ao amin’ny Fanambarana, fa hahatakatra tsara sy hitandrina izany.”
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.