Finoana

Sendikan’ny mpitolona Kristianina “Tokony ho maimaimpoana ny fampianarana sy fitsaboana”


  • Talata 02 Novambra 2021

Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Antsalovana ireo mpiandraikitra voafidy hitantana ny Sendikan’ny mpitolona Kristianina eto Madagasikara na Sempikrima mandritry ny 5 taona manaraka.

Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’izy ireo, Rapetera Désiré, dia nisy antoko politika maromaro tao anatin’ny Mandan-tehezam-pirenena tao anatin’ny repoblika faharoa. Nanangana sendika daholo ireo antoko ireo tamin’izany, hoy izy. Isan’ny natsangan’ny antoko UDECMA/KMTP tamin’izany ny Sempikrima. Tarigetra amin’ny maha antoko Kristianina ny fametrahana ho voalohany ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ny fitiavana sy fihavanana no faharoa mibaiko ny fanatanterahan’ny mpikambana rehetra ato ny asany. Misy fotokevitra ijoroana miisa 2 lehibe koa ato dia ny hifehy fanjakana sy hitantana ny toekarena. Mankany amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa izany rehetra izany. Tsy Mankato ny fisian’ny fanambadian’ny mitovy fananahana eto amin’ny firenena ny Sempikrima ary tsy mankasitraka koa ny fampitsaharana vohoka satria tsy sitrapon’Andriamanitra izany. Mikasika ny raharaham-pirenena dia efa nanao fanambarana ny Sempikrima fa I Madagasikara dia manan-karena nefa ny vahoaka Malagasy mahantra. Ny dikan’izany dia misy fitantanana tsy mety mampisitraka olom-bitsy ny harem-pirenena eto. Tsy misitraka kosa ny mpiasa sy tantsaha maro an’isa. Ho anay dia ireo harena rehetra nomen’Andriamanitra ny Malagasy na an-dranomasina na an-kibon’ny tany na ambonin’ny tany na ana habakabaka, ny hetra, ny resaka fadin-tseranana sy izay vola tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana rehetra dia tokony ho tantanana am-pahamarinana satria tokony ho maimaim-poana, ohatra, ny fampianarana sy fahasalamana. Ny lalana sy fonenan’ny mponina koa. Tokony ho jerena izany rehetra izany, hoy hatrany ny Sempikrima.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT