Seminera maneran-tanin’ny

Fiangonana Shincheonji « Porofon’ny fahatanterahan’ny


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

bokin’ny Fanambarana » no lohahevitra

Manatanteraka seminera maneran-tany mitondra ny lohateny hoe « porofon’ny fahatanterahan’ny Fanambarana » ny mpitarika ny fiangonana Shincheonji na Lanitra vaovao sy tany vaovao, Lee Man Hee ankehitriny. « Ny asako dia ny mampahafantatra anareo izay hitako sy reko mikasika ny tranga rehetra ao amin’ny bokin’ny Fanambarana (na Apokalipsy) toko 1-22 » hoy izy. « Tsy fotoanan’ny fitenenana AMEN fotsiny intsony izao na filazana zavatra tsy misy dikany, mila mahafantatra izao vanim-potoana izao ianareo. Vanim-potoana hahatanterahan’ny fampanantenana rehetra ao anaty baiboly izao, mila manamarina ianareo ary misafidy na hino na tsia, mila mahalala avokoa isika rehetra » hoy hatrany izy. Izao moa no natao dia entina mamaly ny fangatahan’ireo pasitera sy mpino maneran-tany mba hanaovana seminera momba ny Fanambarana ny lanitra sy tany vaovao, raha ny fanazavana. Ny kontinanta rehetra moa no hotsidihany amin’ity taona ity ary tany Filipina no nanombohan’izany ny sabotsy lasa teo. Hipoka tanteraka ny toerana izay nahafahana nandray olona 4000 mahery. Raha tsiahivina dia fitsidihany faha 12 an’I Filipina moa izao raha tamin’ny taona 2013 no voalohany izay namaranany ny ady nisy tamin’ireo antokom-pivavahana nandritra ny 40 taona tao Mindanao, hoy hatrany ny fanazavana. Dingana voalohany ihany izay tanteraka izay fa hitohy kosa izany mandritra ny taona 2024. Hihazo an’I Eoropa izy ny volana may ary tsy ho diso anjara amin’izany ihany koa Afrika.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT