Finoana

Seminera fandravana ny ozona sy fananganana fitahiana Hofaranana rahampitso etsy Mahamasina


  • Zoma 15 Martsa 2019

Ho famaranana ilay hetsika ara -panahy isaky ny Sabata nanomboka ny 26 janoary lasa teo izay niainga tamin’ny tsindrimandrin’ ny pastera Benjamina sy ny Radio FM FOI 107.4Mhz dia manomana hetsika ara-panahy lehibe sy fotoam-bavaka izay nialohavan’ ny fitetezana tanana teto Antananarivo izy ireo, miaraka amin’ity onjam-peo ity.

 

 

 

 Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena  etsy Mahamasina no hanatanterahana izany  rahampitso  sabotsy 16 martsa  manomboka amin’ny amin’ny 9ora maraina.Nandritra ity hetsika ity izay nanerana an’i Madagasikasira moa dia tsiahivina fa  maro ireo vokatra  ara-panahy azo  tamin’izany.   Misy ireo nijoro vavolombelona fa sitrana tamin’ny aretina  nahazo azy, anisan’ireny ny homamiadana, ny  marenina  lasa nalady ….Tanjona  amin’izao hetsika izao moa ny mba hisian’ny fiovana avy hatrany amin’ny fiainan’ny olona ary handraisany valim-bavaka avy hatrany.  Lohahevitra  nofidiana  mandritra ny vavaka rahampitso moa ny hoe : “honerana anio”,  izay midika hoe : eo noho eo ny valim-bavaka .Tsiahivina moa fa hisy ny  toriteny ho entin’ny pastera  Benjamina mandritra izany,  arahina vavaka sy fametrahan-tanana.   Alefa mivantana amin’ny  horonan-tsary  manerana izao tontolo izao ny  hetsika amin’ny alalan’ny TV7Foi  izay  haino amanjerin’ity  onjam-peo ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT