Finoana

Sekta Mahatarik’olona maro , fa nahoana ?


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Niroborobo fatratra ny antsoina hoe fiangonana zandriny na koa sekta tato anatin’ny 15 taona izao teto Madagasikara, ireo ilay antokom-pinoana sy fiangonana tsy ao anatin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).

 

Tsy mbola nisy ny fanisana ofisialy saingy tombanana ho manodidina ny 10 tapitrisa eo ho eo ny Malagasy ao anatin’ny FFKM raha toa ka manodidina ny 5 tapitrisa kosa ny ao amin’ireo fiangonana zandriny raha atambatra.

Mahasarik’olona, fa nahoana ?

Matetika dia olona avy amin’ny Fiangonana efa nisy ihany no lasa any amin’ny sekta, tsotra ny antony raha ny fandinihana sy fanadihadiana natao :maresaka sy misy ambiansy (mihira, mitehaka, mandihy, mety tsara ny fanamafisam-peo)  kokoa any amin’ireo fiangonana zandriny ; maro ny fampanantenana mivadika ho ara-materialy avy hatrany izany hoe azo haingana ny valim-bavaka (mitombo karama, mahazo fiara, manorina trano..).Dokam-barotra mampiroborobo ny sekta ihany koa ny resaka fanesorana devoly sy fanasitranana, misokatra isan’andro :ny maraina ka hatramin’ny hariva ny trano fiangonana fa tsy isaky ny sabotsy na alahady ihany.Etsy ankilan’izay dia milamina kokoa ny any amin’ireo Fiangonana ao anatin’ny FFKM (Ekar, Fjkm, Flm, Eem) ary ny resaka Finoana sy ny fanantenana handova ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ho tompo sy mpamonjy no tena fototry ny Finoana ; mety ho sarotra raisina ho an’ny olona sasany izay efa reraky ny fiainana izany indrindra moa raha tsy ampy fahalalana sy fahaizana momba ny foto-pinoana izy.Manizingizina ireo ray aman-dreny am-panahy avy amin’ireo Fiangonana Lehibe fa fitaka be vava ataon’ireo mpaminany sandoka no hita any anaty sekta ka toa izay mahafinaritra sy mampilamin-tsaina ny olona no trandrahana fa tsy tena resaka finoana sy fivavahana.Ankilan’izay ihany koa dia misy ny tranga mety manaratsy endrika hany ireo fiangonan-dehibe noho ny disadisa anatiny ka mahatonga ireo mpino sasany hiroaroa saina ; eo ohatra ny Mompera voalaza fa miteraka , ny pastera mety nanao fitondran-tena tsy mendrika na mampiahiahy, ny fidiran’ny resaka vola be loatra amin’ny fiainam-piangonana, ny fifanitsahan’ny resa-pinoana sy ny politika.

Fitaka be vava ?

Mety samy manana ny fomba fijeriny moa saingy ny tsikaritra, tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany Afrika sy Amerika Latina dia lasa mpanankarena sy mpanefoefo ireo Pastera mitarika sekta, manana fiara faran’izay lafo vidy, trano goavam-be maromaro, misy manana hatramin’ny fiaramanidina manokana mihitsy aza.Ambaran’ny mpandinika  fa mivadika ho toy ny banky mihitsy ny sekta ka manana piakady hakana ny volan’ny olona ary mampindram-bola sy mampanjana-bola.Moa ve mahatsapa izany ireo olona mihazakazaka hahita fahagagana any amin’ny sekta sa efa jamban’ny fanasitranana maimaika tsy azo antoka.Nahoana no amina firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara no ifanotofan’ny Sekta ? Toa arakaraky ny fitomboan’ireo antokom-pinoana anefa no toa vao miha mampahantra ilay firenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT