Finoana

Sekoly FJKM Hankalaza ny faha-200 nisiany


  • Zoma 07 Desambra 2018

Mitohy ny taom-pankalazana ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Krsisty eto Madagasikara.

 

Taorian’ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy faha-200 taona nidiran’ny Filazantsara nentin’ny LMS (London Missionary Society) teto Madagasikara nankalazana tamin’ity taona 2018 ity, dia hitohy amin’ny fankalazana ny faha-200 taonan’ny sekoly FJKM indray izany amin’ny taona ho avy 2019. Ny 8 septambra 1818 no niandohan’ny tantaran’ny sekoly protestanta, naorin-dry David Jones, teto Madagasikara. Tetsy Andohaho, Razafindrahety, ampitan’ny katedraly Katolika no nisy azy tamin’izany. Noho ny fandaminana dia nahemotra ho amin’ny 2019 ny fankalazana ny Jobily faha-200 taonan’ny fanabeazana FJKM. Mijoro ankehitriny ny Komitin’ny Jobily, tarihin’ny filohan’ny FJKM teo aloha, Pastera Rasendrahasina Lala Haja. Hatolotra mandritra ny fotoam-bavaka hatao ao amin’ny FJKM Andrainarivo ny tolakandron’ny alahady 9 desambra ho avy izao ireo tompon’andraikitra amin’izany. Hatao any Tsiroanomandidy amin’y 27-28 martsa 2019 ny fanokafana ny fankalazana ity Jobily faha-200 taonan’ny Sekoly FJKM ity. I Fianarantsoa no hampiantrano ny ivon’ny fankalazana amin’ny septrambra 2019 ary any amin’ny volana novambra 2019 ny famaranana hatao eto Antananarivo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT