Sekoly Alahady FJKM

> «Ho laharanon’ny fanantenana», hoy Rtoa Lalao Ravalomanana


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

Nifarana ny omaly alahady 08 septambra ny fihaonamben’ny sampana Sekoly alahady FJKM, notontosaina tao Antsirabe.

Raha ny nambaran’ny Pasitera Andriamasinoro Fidimalala, filohan’ny Sekoly Alahady dia iny no hetsika goavana indrindra be mpandray anjara nataon’ny sampana rehetra teo anivon’ny sahan’ny FJKM satria tafakatra 35.000 ny mpandray anjara ary mivoatra hatrany ka manamarika ny tena fampiraisana eo amin’ny samy sekoly alahady. Fa nandritra ity famaranana ity dia nitondra hafatra ho an’ireo mpandray anjara ny vadin’ny filoha Mpanampin’ny FJKM, Rtoa Lalao Ravalomanana izay Reny mpiahy ny Sampana sekoly alahady noho ny tsy fahafahany nanatrika ny famaranana ka nilazany fa : “Mba ho Sekoly Alahady ho laharanon’ny fanantenana tokoa ianareo, fanantenana tahaka ny loharano miboiboika eo amin’ny fiangonana sy ny firenena, ka hitondra fahazavana sy finoana lehibe eto amin’ny tanindrazantsika, fa eto no iantsoan’Andriamanitra antsika mba ho vavolombelony sady ho voninahitr’izy Tompo irery ihany” , araka ny taratasy fankaherezana novakian’ny filohan’ny sekoly Alahady.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT