Manatanteraka vokatra ny sampana sekoly alahady eo anivon’ny Fjkm Ambodihady Vaovao Ambohimanarina, synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana
. Mandritra ity volana Febroary ity no hanatanterahan’izy ireo izany ka ny alahady 15 febroary ho avy izao no hanaovan’izy ireo ny antsam-bokatra hiarahana amin’ireo taninketsa. Maromaro ireo sampana sekoly alahady handray anjara amin’izany toy ny S.A.MI0A Ambodihady, ny FA Kristy Fanantenana … Hitohy mandritra ny herinandro maninjitra izany ka anisan’ny hameno ny fotoana ny famelabelarana momba ny sekoly alahady sy ny tenin’Andriamanitra izay hanasana mpanompon’Andriamanitra maro toy ny mpitandrina Raveloson Mamy avy ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao, ….Ny alahady 22 febroary no hifarana ny vokatra no sady fotoana iray hanokafana ny faha-130 taonan’ny sekoly alahady ao amin’ity fiangonana ity ihany koa. Hisy ny rindran-kira hiarahana amin’ny tarika Mialy Rakotomamonjy mandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.