Finoana

Sekolin’ny fikambanana silamo 67 ha Ifandroritana, misy tsy manaiky didim-pitsarana


  • Zoma 14 Janoary 2022

Mifandrirotra ireo samy milaza ho mpitarika ny Fikambanana Silamo Malagasy. Ny alarobia heriny lasa teo, tetsy 67 ha centre ouest tao amin’ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman,

tonga ny vadin-tany sy polisy ny Filohan’ny fikambanana silamo malagasy Atoa Abdul Hady, nitondra didim-pitsarana izay milaza fa tokony hiala tsy misy hatak’andro tsy ho mpitantana ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy intsony Atoa Abousoary Said. Milaza ny elatra miara-dia amin’i Adul Hady fa niziriziry tsy nety niala tao amin’ny faritry ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman no sady nandà an-kitsirano ny fampiharana ilay didim-pitsarana ny ankilany. Tondroin’izy ireo ho nanao valy boraingina sy namingavingana ireo polisy sy vadin-tany nanatanteraka didim-pitsarana sy tsy manaja ny tany tan-dalàna. Porofon’izany izy nisora-tena ho filohan’ny fikambanana silamo vaovao teo, hoy ireo elatra miara-dia amin’i Abdul Hady. Raha tantara, nitondra ny anarana «sekoly Jery » io sekoly miteraka disadisa etsy 67 ha io tany am-boalohany. Tamin’ny 24 oktobra 2019 ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana sy ny tompon’andraikitry ny Cisco Antananarivo no nanamafy sy namaly an-taratasy mazava, fa tsy mahafantatra ny fisian’io sekoly Jery io, tsy hita anaty « base de données » an’ny ministera akory. Ny filohan’ny fikambanana silamo malagasy, Abdul Hady, no nikarakara ny atotan-taratasy ara-panjakana rehetra, ary lasa « sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman ». Nilaza ny ministera fa ny « sekoly AR-Rahman » ihany no ara-dalàna. Ny 31 aogositra 2021 no niditra an-keriny sy naka an-keriny an’io sekoly io ny ekipan’i Abousoary Said, niakatra tribonaly noho ny raharaha herisetra sy fidirana an-keriny, fitaovana very, mpanabe naratra voakasi-tànana,… Resy teny amin’ny ambaratongam-pitsarana foana na nangataka fandravana teny amin’ny Fitsarana Tampony aza Atoa Abousoary Said, saingy mbola niziriziry ny hitantana io sekoly io ihany hatramin’izao, hoy ny andaniny. Manitrikitrika izy ireo fa Atoa Abdul Hady izay voafidy ny 01 jona 2018 no filohan’ny fikambanana ara-dalàna mandra-pahatonga ny « assemblée générale » sy ny fifidianana vaovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT