Finoana

Savorovoro teny Ambohimamory Nisy zandary roa naratra


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Nisy andiana miaramila nihaodihaody teny an-toerana ny alin’io izay heverin’ny mponina teny an-toerana fa saika hisambotra ny mpitandrina Randriamisata Roger, anisan’ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ka nahatonga ny manodidina hanao fiambenana ny toeram-ponenan’ity olom-piangonana ity. Araka ny vaovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy ny fandratrana nataon’ireo mpiandry tanàna ireo zandary roalahy izay nanatanteraka fisafoana teny an-toerana tamin’io fotoana io. Samy manana ny fanazavany ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny kolonely Richard Ravalomanana dia nanamafy araka ny tatitra voarainy fa teo am-panatanterahana ny asany tamin’ny alalan’ny fanajanonana mpitaingina moto tsy nitondra aroloha ireto zandary ireto no nisy nikasi-tanana ka naratra ary nomen’ny mpitsabo tsy fahafaha-miasa mandritra ny 13 sy 15 andro noho izany. 

Very tamin’izany koa ny bala tamin’ny basin’izy ireo. Ho an’ny fokonolona kosa dia mamo ka nila sotasota ireto zandary roalahy ireto. Eo anoloan’izany dia miantso ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay ny kolonely Ravalomanana mba handini-tena tsara vao mandray fanapahan-kevitra. Nanana basy ireo zandary ireo ary azony natao tsara ny nampiasa izany ho fiarovan-tena. Raha izaho no teo amin’ny toerana dia niaro tena aho dia … faty nikararana no teo, araka ny filazany. Nampiany fa raha mamo ny mpitandro ny filaminana dia misy ny famaizana miandry azy araka ny lalàna fa tsy anjaran’ny olon-tsotra izany. Araka ny filazan’ny mpitandrina Randriamisata Roger dia misy tanora nandefasan’ny zandary taratasy fiantsoana, tsy fantany mazava ny antony. Tsy tokony ho ny zandary no hanao ny fanadihadiana mikasika iny trangan-javatra iny mba tsy hisian’ny fitanilana, hoy izy raha niteny tao amin’ny radio Fahazavana fa tsy hanaiky mora izany ny olona.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT