Hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 24 aogositra izao etsy amin’ny Havoria Anosy,
amin’ny 2 ora sasany, ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe «Tsotsorimamba», izay vokarin’ny VDFI Production sy Art Movies. Sarimihetsika maharitra eo amin’ny 2 ora eo izy ity ary nosoratan’i Rakemba sy notontosain’i Dina Rajaonah. Ny VDFI na Vondrom-bavaka dian’ny finoana moa dia tsy fiangonana akory, hoy ny fanazavàna, fa mpitory filazàntsara niforona ny taona 2002. Nikarakara ny fitoriana filazàntsara antsoina hoe «Mandresy Madagasikara», izay fitoriana filazàntsaran’i Jesoa Kristy an-kalamanjana tsy miankina amina fiangonana, nanomboka tamin’ny 2 taona ny fikambanana. Miara-miasa amina mpihira ara-pilazàntsara maro ary efa manana ny antoko mpihirany ihany koa amin’izao fotoana izao. Nahavita nitety fiangonana miisa 20 teo izany tao anatin’izay fotoana maro izay. Ao anatiny koa ity VDFI Production ity izay mamokatra horonantsary sy sarimihetsika amin’izao fotoana izao. Maimaimpoana hatrany no hanaovana izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanazavàna. Ny «Tsotsoromamba» dia sarimihetsika miresaka fiainana an-davan’andro fa asongadina manokana ao anatiny kosa ny fiainam-pinoan’ny zanak’olombelona, hoy ny mpanoratra ny tantara. Misy mampiomehy, mampalahelo, manafintohina, mampatahotra fa mampametra-panontaniana ao anatin’izay rehetra izay hoe hisafidy ny tsotsoromamba hanohy sa hisaraka ilay olona? Niainga tamin’ny tantara tena nisy izy io, hoy ihany izy. Eny amin’ny Pho Resto rehetra eny Ivato, Ampasamadinika, Ampandrana, Akorondrano, By Pass no ahitàna ny tapakila fanasàna hijerena maimaimpoana ity sarimihetsika ity. Ahitàna izany koa eny amin’ny Colaris concept. Ampirisihin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Galatianina 6 isika tsy ho reraka amin’ny fanaovan-tsoa, indrindra, fifanohanana eo amin’ny mpianakavin’ny finoana. Izany indrindra no antony ifanohanana amin’izao asa fitoriana filazàntsara amin’ny fomba madio izao, hoy hatrany ny fanazavàna. Tsy mijanona amin’ny famoahana ofisialy ny hetsika fa heritreritra ny hitetezana ireo faritra manerana ny nosy. An-taonany maro no efa nanaovana vina ny hamoahana ity sarimihetsika ity ary 3 volana no nanoratana azy. 3 volana no nanaovana ny fanodinana. May 2025 no vita izany fanodinana izany dia anatin’ny fandrindràna izany izao ny tekinisianina. Natao ho an’ny rehetra ny sarimihetsika ary niainga tamina tranga tena nisy. Miisa 27 eo ny mpilalao. 16 no fototra. Arivonimamo, Ambatomirahavavy, Ivato, Andoharanofotsy, toerana maro mihitsy no nanaovana ny fanodinana. Jesoa Kristy velona ho antsika rehetra ary efa maty noho ny fahotantsika rehetra ka nitondra ny fahavelomana indray ho antsika rehetra no isan’ny hafatra lehibe tiana ampitaina. Tsy hivoaka amina fantsona hafa ankoatran’ny fiangonana aloha anefa hatreto ny horonantsary ary fepetra ny hoe tsy misy vidim-pidirana hatrany. Toamasina izao no vinaniana ho asiana toy ny ao amin’ny Havoria amin’ny 24 aogositra io any amin’ny oktobra any, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Sary : Valisoa R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.