Finoana

Sampona sady hafahafa


  • Zoma 20 Martsa 2015

Tadiavina hatao amboletra indray ve ny fandaniana ilay sata manokana hifehy an’Antananarivo Renivohitra eny amin’ny antenimieram-pirenena ? Toa efa mirona mankany amin’izany mantsy ny fomba firesak’ireo solombavambahoaka avy ao sasany manohana ny fitondrana. Mbola hisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra amin’ny alatsinainy ho avy izao,

 voalaza fa mety hisy ny fanovana ny andininy sasany ao amin’ilay tolo-dalàna, fa moa ve ampy hampisinda ny ahiahy rehetra izany ? Mitsipaka marindrano io sata manokana vaovao io aloha hatreto ny solombavambahoaka 11 amin’ny 12 voafidy teto an-drenivohitra, fa tsy hay izay ho fivoaran’ny toe-draharaha amin’io herinandro ho avy io. Manahy izy ireo fa sao ho afabaraka fanindroany ny antenimieram-pirenena ka handany lalàna kanefa hotsipahan’ny HCC indray izany avy eo. Hafahafa ihany mantsy ilay hoe omena tetibola, somary be fahefana kokoa noho ny amin’izao fotoana ireo ben’ny tanàna lefitra delege eny amin’ny boriborintany kanefa tsy nofidian’ny vahoaka mivantana, fa kosa nofidian’ny filankevitra monisipaly avy amin’ny tolo-kevitr’ilay ben’ny tanàna foibe. Maro ireo teknisianina mihevitra fa raha fampandrosoana no tanjona dia tsy voatery ho io rafitra sampontsampona io mihitsy no ampiharana ny fitsinjaram-pahefana eto an-drenivohitra. Mibaribary loatra fa misy ambadika politika ilay izy ka izay no maha mangotraka ny adihevitra eny amin’ny antenimieram-pirenena eny. Ny mampanahy dia hiteny indray ny vola ka ho lany eny Tsimbazaza izy ity.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT