Finoana

SAMPATI Foibe - FJKM Manentana ireo skoto handray ny andraikiny


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Ankoatry ny maha sampana velona ny Sampana Mpanazava sy Tily ao anaty fiangonana ny SAMPATI FJKM dia tena fikambanana amin’ny maha skoto azy koa izy,

hoy ny tonia SAMPATI foibe, ny mpitandrina Seraphin Randriamanantena Solo, ary miray amin’ireo skoto maneran-tany. Ny maha fiangonana eo dia ny hoe manompo an’Andriamanitra izy, hoy izy, fa ny faharoa dia miasa ho an’ny tanindrazana ihany koa. Izao fotoan-tsarotra izao indrindra no hijoroan’ny skoto ho tanana eo anatrehan’ny firenena sy ny fiangonana. Manoloana ilay rivodoza narahana tondra-drano izay namela takaitra mafy teto amin’ny firenentsika satria tao ireo rava trano, very fananana, namoy fianakaviana ary amin’izao fotoana izao aza dia tena hoe aiza ny asa, ahoana ny fiainana. Mananontanona hiditra an-tanety koa ilay hoe Batsirai izay heverina koa fa mety hitondra takaitra hafa saingy hangatahana amin’Andriamanitra moa mba tsy ho izany no hitranga. Fotoana hijoroan’ny skoto vavolombelon’I Jesoa Kristy izao. Tena aseho ny maha Kristianina satria izay indrindra no anton’ny fanabeazana maha skoto dia ny fijoroanao amin’ny finoanao. Iainana io finoana io ho an’ny skotisma, hoy Biden Powell. Ny faharoa dia ny asa soa. Ny skoto tsirairay avy izany izao dia manao asa soa ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona. “Manomeza izay kely misy any amin’ise!” na sakafo io na lamba. Ny fahatelo moa dia ny hoe mikarakara ny tontolo iainana hahatonga an’I Madagasikara ho lasa tontolo maitso satria ny faharavan’ny tontolo misy antsika no anton’ireny zava-tsarotra sedraintsika ankehitriny ireny. Mila mamboly ala ny skoto FJKM. Raha misy 10.000 na 50.000 no isantsika amina faritra iray na tanana dia mamboly hazo iray fara-faha keliny ny skoto iray. Efa misy fandaminana isam-paritra mikasika ireo fidinantsika ifotony eny amin’ireo toerana mandray traboina. Na ireo skoto manangona ny kely eny aminy dia iny no zaraina. Dia miara-miasa amin’ireo rafitra eo anivon’ny firenena toy ny BNGRC izay manao tolo-tanana ireo traboina eto amin’ny firenena. Manentana antsika skoto mba ho tanana hanao asa soa hizara ny sakafon’ise, ny lamban’ise, izay heverin’ise fa tsara any amin’ise ka hampianatra ny mpiara-belona hanao izany, hoy hatrany ny SAMPATI FJKM.
J. Mirija
Legende: Ny tonian’ny SAMPATI FJKM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT