Finoana

Sampati Foibe FJKM Hanao ny “Fitraofambe” andiany voalohany


  • Talata 17 Mey 2022

Araka ny fanapahan-kevitry ny Sampati Foibe FJKM sy ny komity foibe dia hanomboka ny andiany voalohany amin’ny antsoina hoe “Fitraofambe” ny Sampati Foibe FJKM amin’ity taona ity.

Izy io, raha ny fanazavan’ny tonia Sampati Foibe FJKM, Séraphin Randriamanantena, mpitandrina, dia fampihaonana ny olon-dehibe rehetra ao amin’ny Sampati FJKM. Tsy iza ireo, hoy izy, fa manomboka amin’ny mpianadraikitra, ny tonian’ny fivondronana, ny komitim-pivondronana rehetra, ny filoha zanaky ny FJKM na Mpanazava na Tily, ireo izay manana andraikitra eo amin’ny foibem-pikambanana dia ny foibe Tily, foibe Mpanazava, foibe FMTROS ka zanaky ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara. Antsoina koa araka izany ireo olon-dehibe mpanohana na nandalo SAMPATI na tsy nandalo. Antsoina manokana ireo mpitandrina sy mpitondra fivavahana nandalo fanabeazana Mpanazava sy Tily ato amin’ny FJKM sy ny prezida sinodaly rehetra. Misy sokajin-dasy manokana ho an’ny mpitandrina na ny mpiomana ho mpitandrina, izay efa antsoina manokana amin’izany koa, ny mpitandrina, ny prezida sinodaly. Any Mahajanga no hanatanterahana io Fitraofambe voalohany io ny 12 hatramin’ny 14 aogositra 2022 izao. Asaina ireo voakasik’izany rehetra ho tonga maro ho voninahitr’Andriamanitra. Fihaonana no dikan’ny Fitraofambe ary ao no hanatanterahana fifampiofanana, fifampizarana, handraisana ny hafatr’ireo zoky nandalo fanabeazana teo aloha koa izay ho raketina an-tsoratra anaty boky volamena. Hisy ao ny hoe Foaran-kevitra izay handraisana ny hevitra rehetra hampandrosoana ny SAMPATI, hoy hatrany ny Tonia.

J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT