Finoana

Sampati - FJKM Manarintsoa Mitady 8 tapitrisa Ar hanomanana ny lasy


  • Talata 29 Jona 2010

Toy ny isan-taona dia manatanteraka lasy ivelan’ny renivohitra ny Sampati Edena 215 ème eo anivon’ny Fjkm Manarintsoa Finoana. Toerana efatra no handehanana amin’ity 2010 ity dia i Manambato sy Vatomandry ho an’ny komitim-pivondronana

Marovoay sy Andramasina kosa ny an’ny Tily sy Mpanazava. Mikarakara hetsika fitadiavam-bola hanangonana ny hoenti-manana hahafahana manatanteraka ny hetsika ny sampana, araka izany, amin’ny alalan’ny fandefasana ilay sarimehitsika «Spy kids» ao amin’ny cinéma Ritz ny alarobia 30 jona izao. Tsy toy ny sarimihetsika fahita mahazatra anefa no halefa fa 3D izany hoe hanana endrika toy ireny tena izy ireny mihitsy ny sary raha ny fanazavan’i Anga Miorika, filohan’ny komitim-pivondronana. «Sambany teto amintsika no misy sarimihetsika 3D ka manasa ny rehetra ho avy amin’ny alarobia tolakandro». Ny 17 jolay indray dia ilay sary miaina «Fly the moon» amin’ny 3D ihany koa no halefa ao amin’ny cinéma Ritz. Mitady vola hatrany amin’ny 8 tapitrisa ariary moa ny Sampati Edena 215ème amin’ireo dia ireo ka izay no antony mahalafolafo ny vidim-pidirana. Ankoatra izay dia misy solomaso natokana hijerena ny sarimihetsika 3D raha ny fanazavan’ny mpikarakara ihany. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT