Finoana

SAMPATI FJKM Hanao famaritana ny soritr’asa 2022


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Hiatrika komity foibe ny sampana mpanazava sy tily eo anivon’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara anio sy rahampitso zoma 14 janoary,

 hoy ny sekretera jeneralin’ny SAMPATI FJKM, ny mpitandrina Séraphin Randriamanantena, omaly. Anasana ireo komity foibe rehetra manerana an’I Madagasikara sy any am-pitan-dranomasina izany, hoy izy, ary ho tanterahana ao amin’ny Tabita Ampandrana. Efa vonona ny fandaharam-potoana sy dosie rehetra ho dinihina ao anatin’izany. Ho atao ao ny tatitry ny asa, ny famaritana ny soritr’asa sy ny tetibola 2022. Hisy koa ny fotoam-pivavahana lehibe ho tanterahana eny amin’ny Coliseum Atsonjombe ny 16 janoary izao. Asaina hanao fanamiana avokoa ny SAMPATI. Isika no miandraikitra ny fandaminana ny fiantsonam-piara na “parking” ary ny filaminana mandritry fotoam-pivavahana, izay hiantsoana antsika eny amin’ny Coliseum hanao fandaminana aloha ny sabotsy maraina amin’ny 7 ora sasany, ho an’izay afaka amin’izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT