Finoana

SAMPATI Faritany Analamanga Andrefana Nisokara ny taom-pitaizana 2020-2021


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Nosokafana ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny FJKM Ivoanjo Anosiala ny taom-pitaizana 2020-2021 ho an‘ny Mpanazava sy Tily faritany Analamanga Andrefana.

Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny jobily faha-25 taona nijoroan’ny faritany. Nisy ny fitokanana ny tsangambato teo amin’ny zaridainan’ny kaominina Talatamaty. Nanotrona ny fotoana ny filohan’ny komitin’ny jobily Elie Dominic Raharinoasy izay sady ben’ny tanànan’ny Talatamaty, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny komity jobily. Taorian’izay dia nizotra nakany amin’ny FJKM Ivoanjo ny rehetra, nahitana ny filohan’ny Komity Lehibe Ara Mientana mivady, ny filoha nasiaonalin’ny mpanazava Vorombola Milamina ary ny filohan’ny foibe tily Tantana Mikolo. Naseho ampahibemaso ihany koa ny ekipa mpiray dia mpanazava sy tily izay tarihin’ny Masova Mipiniky sy Tsidika Manoa. Nandritra ny fampitana ny fanilo no nanoloran’ny mpitantana teo aloha ny boky mirakitra ny tantaran’ny faritanin’Analamanga andrefana ho an’ireo mpitantana ankehitriny. Boky izany manamarika ny tsangam-bato faha-25 taona, nosoratan’i Fy Andrianarison ka hita ao avokoa ny mombamomba ireo filoham-paritany mpanazava sy tily nifandimby,ireo filohan’ny komitim-paritany nifandimy, nanomboka ny taona 1995 ka hatramin’ny 2021 ary ny lisitr’ireo fivondronana rehetra mamaritra ny faritany Analamanga Andrefana. Samy nanasongadina ny tombotsoa azo avy amin’ny fanaovana skoto ireo nandray fitenenana, ka naneho ny maha: fanefena toetra, fifandraisana amin’ny hafa, fandraisana andraikitra ary ny fanompoana an’ Andriamanitra azy, mifandraika amin’ny tondrozotra 2021-2024 manao hoe « Tanteraho ny fanompoanao »,… Hetsika akaiky indrindra ny Noely fahazavana izay atao eny amin’ny Gymnase Ankatso ny 18 desambra ho avy izao izay hanasana ny rehetra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT