SAMPANA TANORA KRISTIANA FJKM

Tanora 15 000


  • Alakamisy 20 Novambra 2025

no andrasana amin’ny fihaonambe 2026 any Nosy Be

Hanatanteraka Fihaonambe ny Sampana Tanora Kristiana ato amin’ny FJKM, ny taona 2026, ka ny 26 hatramin’ny 30 septambra, any Nosy-Be Hell ville no hanoavana izany araka y hevitra tapaky ny komity foibe izay nivory ny 13 sy 14 novambra 2026 lasa teo. Ny Fihaonambe dia fotoana iray ivondronan’ny tanora STK rehetra tsy an-kanavaka ao anatin’ny sahan’ny FJKM. Tanora 15 000 no andrasana mandritra io fihaonambe io avy amin'ny synodamparitany 39. “STK Voafidin’i Kristy, miasa amin’ny Faharetana mamokatra tsara” Jaona 15:16, io no lohahevitra ho banjinina mandritra io fotoana io. Ny fiorenam-pinoana sy faharetana amin’ny famokaranadia tena zava-dehibe tokoa ho an’ny STK hoy Ramboniniarivo Tantely Gaston, Mpitandrina, Filoha Mpanampy eo anivon’ny STK Foibe Homarihina amin’ny hetsika ara-kolotsaina sy ara-panatanjahantena maro samihafa izany. Tanjona ihany koa ny hanatsara hatrany ny lentan’ny fifaninanana sy hanandratra ireo kolontsaina isam-paritra amin’ny alalan’ny hira.Tany Antsirabe no nanaovana ny Fihaonambe farany tamin’ny taona 2024, fotoana nanaovana ny zaikabe ho an'ny STK, izay sady nifidianana ireo birao sy Komity Foibe vaovao. Tanteraka ny 13 sy 14 novambra teo moa ny Komity Foibe, izay nanapahana ny lamin’asa rehetra ho an'ny taona 2026.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT