Sampana Sekoly alahady SPAA10

Hankalaza an'Andriamanitra noho ny jobily volafotsy


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Mitohy hatrany ny fankalazana an' Andriamanitra noho ny jobily volafotsy ny Sampana Sekoly Alahady

Synodamparitany Antananarivo Andrefana. Ny sabotsy 23 septambra no atao ho fisaorana an’Andriamanitra amin'ny IVO ny fankalazana ny faha-25 taona ny jobily sy ho Fanokafana ny taom-pianarana Sekoly Alahady 2023-2024 ho an' ny Sampana Sekoly Alahady Synodamparitany Antananarivo Andrefana hotanterahina ao amin'ny FJKM Ambatolampy fahazavana Ambohitrimanjaka manomboka amin'ny 9 ora sy sasany, raha ny fampahafantarana. Hitory ny tenin'Andriamanitra ny Prezida Synodaly SPAA10 Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, Mpitandrina. Araka ny nambaran'ny Filohan’ny Komity jobily volafotsy Andrianalimanana Rivonjato dia tsangambaton'izao fankalazana izao ny fampitaovana informatika ny Birao ny Sampana Sekoly Alahady eny amin'ny ivotoerana eny Ambohibao sy fampitaovana rehefa misy ny fihaonan' ny Sampana toy ny fiofanana, fihaonam-be ary fivoriana. Teny faneva entina hankalaza izao jobily volafotsy izao moa dia ny tenin' Andriamanitra manao hoe "Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela..." Isa 58.12a.
Nangonin’I Toky R
Légende: Andrianalimanana Rivonjato, Filohan’ny Komity jobily volafotsy Sampana Sekoly alahady SPAA10
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT