Sampana sekoly alahady FJKM Ambodihady

Hanatanteraka vokatra mandritra ny iray volana


  • Zoma 02 Febroary 2024

Hanatanteraka vokatra ny sampana sekoly Alahady eo anivon’ny

fiangonana FJKM Ambodihady vaovao Ambohimanarina Synodam-paritany Antananarivo Andrefana mandritra ity volana Febroary ity. Araka ny nambaran' ny Filohany dia amin’ny Alahady 04 febroary ho avy izao hanokafana izany ka hosantarina amin’ny rindrankira fiderana miaraka amin'ny SLKM MORIA Lapan'ny Ray sy ny STK Ambodihady manomboka amin’ny 04 ora hariva. Hisy ihany koa ny valopy hozaraina ho fandraisana anjara amin'izany. Hira ahafantarana ny SLKM MORIA moa raha tsiahivina ny hoe : "fanekena, areheto ny jiro".H an' ny STK Ambodihady kosa dia ny hoe : "azo antoka, resy lahatra". Ny alahady 11 febroary kosa no hatantosana ny 12 trano hiarahana amin' ireo firaisan' ny FJKM Ambohimanarina. Ny Alatsinainy 12 hatramin'ny zoma 17 no hanaovana ny "herinandron' ny fianakaviana" miaraka amin'ny Mpitandrina Raveloson Mamy. Ny Sabotsy 18 Janoary "no hatao ny tafika Masina. Ny Alahady 25 febroary kosa no hofaranana izany ka hitondra ny tenin' Andriamanitra ny maraina ny Mpitandrina Rakotoarivelo Andriamanantena, Komity foibe ny Sampana Sekoly Alahady ary ny hariva kosa dia hisy ny hira fiderana miaraka amin'ny Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.A.MI.A).
Pati
Legende : Ireo biraon’ ny Sampana Sekoly Alahady Ambodihady vaovao hikarakara ny hetsika!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT